Fandriampahalemana

Voalaza ho saika namaky trano Notapahin’ilay tompon-trano ny tanan’ilay zazalahy


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Tonga dia tsy misy rantsan-tanana efatra intsony ilay tovolahy kely tombanana ho 12 taona eo ho eo. Toy ny nalana tamin’ny antsy mihitsy ireo rantsany ireo ka ilay ankihibe iray sisa tavela eo amin’ny toerany.

Io no famaizana nataon’ny tompon-trano iray azy tany avaratr'Ampasimanjeva Manakara, ny faran’ny herinandro teo. Voatondro ho saika hamaky trano, tao amin’ity tanana ity mantsy io zazalahy kely io. Tratran'ny tompon-trano teo am-pisikorana karetsaka mihitsy izy nandritra hoy ny loharanom-baovao azo ka izao lasa tsy misy rantsan-tanana efatra izao intsony. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona mikasika ity tranga ity moa dia tokony nosamborina ity tovolahy kely ity ka nahitsy fa tsy nampahoriana fatratra tahaka izao. Hampidirina eny amin’ny toby fitaizana mania izy aoriana. Ireo mpamono olona sy mpanolana no tokony hofaizina fatratra tahaka izao hoy hatrany io fanehoan-kevitra io.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ny tananan’ilay zazalahy kely
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT