Fandriampahalemana

Voalaza ho naka olona an- keriny “Assistant parlementaire” maty voatifitra


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Lehilahy iray no voalaza fa nalain'ny “assistant parlementaire” iray sy ny namany an-keriny tao an-tampon-tanànan' Amboasary Atsimo omaly atoandro.

Nisy fifanolanana teo amin’izy ireo satria voalaza fa efa nisy raharaha fitoriana tany amin'ny tribonalin'i Tolagnaro. Nentin'izy ireo nihazo ny tananan'i Belintsaka kosa ilay lehilahy, ary rehefa niantso an'io “assistant parlementaire” io ny lehiben'ny distrika dia nilaza ny tenany fa entiny hanao taratasy mikasika ny fitoriana nataony no nakan'izy ireo azy, hoy ny fitantarana notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Noho ny antso voarain’ny zandary, raikitra ny ny fidinana ifotony sy fanarahan-dia, ka raha vantanyy vao tonga tao an-toerana ireo zandary no nifanojo tamin’ireo 5 lahy nilanja basim-borona izay nitazona ilay lehilahy voalaza fa notananana an-keriny, hoy hatrany ny fitantarana. "Namahana basy izy ireo ary efa nikasa hamono ilay nalaina an-keriny sy hitifitra ny zandary, ka voatery nitifitra ny zandary ho fiarovan-tenany sy hamonjena ilay lehilahy" hoy hatrany ny tatitry ny vaovao. Maty voatifitra vokatr'izay ny roalahy ka ilay “assistant parlementaire” ny iray. Ny namany telo kosa dia voalaza fa tafaporitsaka nitsoaka niaraka tamin'ny basy teny aminy ka mbola karohina. Mbola notazonin'ny zandary kosa, raha ny vaovao azon’ny gazety Basy ilay lehilahy nalaina sy notazonin'ireo an- keriny sy ny vadiny. Raha ny fanazavana voaray avy any an- toerana dia efa mampikaikaika ny ankamaroan'ny mponina ao Amboasary Atsimo io assistant parlementaire io noho ny fanaraotam-pahefana sy firaisana tsikombakomba amin' ireo olon-dratsy nataony, izay ambaran'izy ireo fa miteraka ny tsy fandriampahalemana eo an-tampon-tanàna Amboasary Atsimo tato ho ato, hoy ny fitantarana. Andrasana izay mety ho fanampim-panazavana!


Mikasika ilay raharaha kidnapping any amin’n Faritra Alaotra kosa, misy ny hetsika faobe, nanetsehana ny mpitandro filaminana marobe, ary mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ao Ambatondrazaka. Mandeha ny fikarohana ireo heverina fa naka an-keriny olona 3 mianaka sy ireo izay mbola tsy hita nanomboka ny 24 febroary, ary voalaza fa mitaky 200 tapitrisa Ar ireo mpaka an-keriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT