Fandriampahalemana

Voafonja nahafaty olona tao Analalava Hitan’ny olona mandehandeha tsy misy tahotra


  • Talata 24 Janoary 2023

Tsy milamina ny toe-draharaha ao Analalava ao. Voafonja iray voalaza fa namono nahafaty mpiraki-draharahan’ny fitsarana iray am-perin’asa

tao amin’ny tribonalin’Analalava mantsy no hitan’ny fokonolona mandehandeha eran’ny tanana amin’izao. Raha araka ny fantatra dia afaka nankalaza tsara ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao tany amin’ny fianakaviany ity voafonja ity. Tsy miafinafina mihitsy izy eto an-tanàna rehefa mivoaka, raha araka ny loharanom-baovao azo. Tezitra ireo fokonolona manoloana izany satria na dia mpiasan’ny fonja iray aza tsy misy manaraka ity voalaza ho mpamono olona ity. Efa nisy moa ny fitarainana nataon’ny fianakavian’ny maty tamin'ny Minisitry ny Fitsarana ankehitriny, ny Tale Jeneralin'ny fandraharahana ny fonja (DGAP), ny Filohan'ny Fitsarana sy ny lehiben'ny fampanoavana fitsarana ambaratonga voalohany ao Analalava ary ny lehiben'ny fonja ao Analalava saingy tsy mbola nahazoana valiny mahafa-po hatreto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay voalaza fa voafonja namono olona mivoaka mandehandeha eran’ny tanàna
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT