Fandriampahalemana

Voafonja manerana ny Nosy Ny 58% no efa voatsara hatreto


  • Talata 21 Desambra 2021

Fanamby napetraky ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny minisiteran’ny fitsarana ny hanafaingana ny raharaham-pitsarana sy ny fanenana ny isan’ireo voafonja izay tsy mbola voatsara.

 Manodidina ny 58% n’ireo voafonja miisa 27 000 manerana an’i Madagasikara no efa voatsara ankehitriny raha ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana Atoa Imbiki Herilaza omaly. Ny taona 2008 no nahatratrarana io taha io farany teto Madagasikara, tamin’ny voafonja miisa 17 000. Nahitana fihatsarana ny vokatra na tsy mbola tratra aza ny fanamby napetraka 70/30 (70% voafonja efa voatsara, raha 30% sisa tokony hiandry fitsarana). Antony maro mo mahatonga izany, toy ny tsy fahampian’isan’ireo Mpitsara, ny fampitaovana sy ny hoenti-miasa. Ny antontan’isa farany dia nambara fa tsy maintsy hanaovana fampahafantarana mangarahara amin’ny vahoaka satria ny 31 Desambra 2021 vao tena tapitra tanteraka ny fotoam-piasana ho an’ny taona. Na eo tokoa mantsy ny fialan-tsasatry ny Fitsarana, dia misy foana ireo raharaha tsy maintsy mandeha, andraikitr’ireo miandry raharaha (tour de permanence). Ankoatra izay, fa maromaro ihany koa ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana farany amin’ity 2021 ity, nataon’ny Filan-kevitra Ambonin’ny Mpitsara (CSM). Ohatra ny fandrosoana laharana, ny fanendrena amin’ny andraikitra vaovao ary ny famindrana toeram-piasana. Ho an’ireo raharaha hafa, toy ny momba ny Fonjan’i Miandrivazo, dia efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny Fampanoavana miaraka amin’ny Zandarimariam-pirenena, ho famerenana ireo voafonja tsy hita, ary ny mikasika ireo tompon’andraikitra nahatonga izany. Nivoitra ireo omaly 20 Desambra 2021 nandritra ny fitsidihana ny Akany Fitaizana zaza tsy ampy taona nania teny Anjanamasina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT