Fandriampahalemana

Voafonja eto Madagasikara Tsy ara-dalàna ny 50% mahery


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Nisokatra omaly tetsy amin’ny DLC Anosy ny atrikasa mandritry ny roa andro hijerena izay fomba ahafahana miady amin’ny famonjana tsy ara-dalàna eto Madagasikara.

Ny sampandraharaha izay miompana amin’izany na ny ACAT Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, toy ny AFD na ny sampana frantsay momba ny fampandrosoana moa no miara-miasa mitarika azy ity ary dia nampandraisina anjara ao anatiny avokoa ireo misehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsarana rehetra toy ny minisitera, ny mpisolovava sy mpitsara ary ireo mpandraharaha ny fonja. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny ACAT, Maitre Marie Raharinivoniriana, moa dia mbola eo am-pandinihana ny tena isa marina mikasika ireo voafonja tsy ara-dalàna ireo ry zareo amin’izao fotoana izao fa ny azo lazaina aloha dia mihoatra ny antsasa-manilan’ireo voafonja. Azo itarafana izay famonjana tsy ara-dalàna izay ny tsy fahazarizarian’ny sakafo, ny isan’ireo voafonja, toy ny hoe 2.500 no isan’ireo voafonja ao Antanimora amin’izao fotoana kanefa 800 no tokony ho zakan’ny fonja. Eo koa ny fahataran’ny fotoam-pitsarana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT