Fandriampahalemana

Voafonja ao Antalaha Latsaky ny 18 taona ny 110 isa


  • Alarobia 04 Janoary 2023

Ankizy latsaky ny 18 taona avokoa ny 110 isa amin’ireo voafonja manodidina 20.000 ao amin’ny fonjan’Antalaha, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Isany fototry ny heloka hiampangana sy hitazomana ny ankabeazan'izy ireo ny resaka "délit de mœurs" na fandikana fitondran-tena. Araka ny fanazavana azo dia resa-bola matetika no tena manintona ny any an-toerana amin’ny asa ratsy. Mbola maro amin’ny ray aman-dreny ihany koa no tsy mandray andraikitra noho ny fahasahiranana ka tsy mahavita manabe sy manara-maso ny zanaka ara-dalàna hany ka lasa mivarilavo toy ny mangalatra sy mifoka rongony ireo ankizy. Raha ny ao amin'ity faritra ity manokana dia misy ny "liberté surveillée préventive" fahafahana vonjimaika sy fanaraha-maso fisorohana ary misy koa ny "liberté surveillée pénale" na arahana famaizana, raha ny fanazavana. Paikady izay tafiditra indrindra anatin’ny " ny "justice réparatrice" na fitsarana fanarenana atao amin’ireo ankizy voafonja. Ao anatin’izany dia misy mpanabe avy amin’ny minisiteran’ny mponina ho an’ireo nisitraka izany fahafahana izany ka ireto farany no miaraka amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy manao izay fomba rehetra hanampiana ireo ankizy mba hanaja ny fifanarahana manodidina izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT