VINANINONY FARATSIHO

Tratra i Zista mpangala-kisoa amin’ny andro atoandro


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Tena mbola manjaka ny fampiasana fonoka any ambanivohitra any.

Anisan’ireny i Zista, lehilahy 55 taona mpangala-kisoa nikoizana tao Faratsiho. Ampiesoniny amin'ny alalan'ny fanafody ratsy ny tompon-kisoa dia mijaikojaiko mibata kisoa roa izy avy eo. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Vinaninony no nitrangan'izany ny 17 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tsikaritry ny zandary avy ao Vinaninony anefa izany ka narahin'izy ireo maso tsara Ingahirainy. Tsy mba mitondra namana aho, hoy izy fa mahatoky ny odiko izay mampatory ny olona na atoandro na alina. Tamin'ny Alarobia 11 Oktobra hoy izy nitantara dia efa nahazo kisoa roa ary namidy tao amin’ny tsenan'i Faratsiho izany. Tonga mangalatra kisoa na omby hatrany amin'ny kaominina Andrakodavaka rehetra aho hoy hatrany i Zista. Tsy lazaina intsony ny efa namboariny tao amin'ny kaominina misy azy. Ody ratsy iray harona be no tratra tao aminy niampy fonosan-drongony.
Pati
Legende : I Razista mpangala-kisoa sy ny ody gasiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT