Fandriampahalemana

Very tany Vangaindrano, hita tany Ihosy Notrohana ny ran’ilay zaza varira nalaina an-keriny


  • Talata 28 Febroary 2023

Hita soamantsara tany amin’ny Fokontany Andriabe-Ambatolahy, distrikan'Ihosy ihany rehefa nanjavona nandritra ny

andro maromaro ilay zaza manana toe-tena varira nanjavona tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano, toerana misy ny trano fonenany. Tsy nisy nalana ny taovany araka izany fa ny ampahan'ny ràny no notrohan'ireo tsy mataho-tody. Lasa malemilemy sy toy ny hafahafa ity zaza ity araka izany na dia tafahoana soa aman-tsara amin’ny fianakaviana ihany aza. Raikitra ny fanadihadiana nataon’ny zandary araka izany ka olona miisa 5 no efa voasambotra ary mbola misy olona 4 hafa hokarohina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo olona tsara sitrapo sy ny fitaleavam-paritry ny polisim-pirenena Ihorombe moa no nahafahana nisambotra ireo olona miisa 5 ireo. Mpaka ra indray araka izany no atahoran’ireo mponina any amin’iny distrikan’i Vangaindrano sy Ihosy amin’izao fa tsy mpangalatra taova intsony. Nangonin’i Pati Legende : Lasa alaina ra indray ny zaza varira any amin’ny faritra atsimo atsinanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT