Fandriampahalemana

Verrerie Toamasina Tratra ireo mpamaky trano isan-kalina


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Lehilahy miisa dimy mpamaky trano isan-kalina eny amin’ny faritra Verrerie sy Tsarahonenana no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny FIP Toamasina omaly alahady 05 jolay.

 

 

 

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 04 ora teo ho eo raha tsiahivina dia tonga tao amin’ny toby misy ny FIP ao Verrerie Toamasina ny andrimasom-pokonolona nitondra lehilahy iray tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny. Araka ny voalazan’ireo andrimasom-pokonolona ireo anefa dia maromaro ireo jiolahy nanatanteraka izao asa ratsy izao fa ity lehilahy iray ity ihany no voasambotra. Teo anatrehan’izany dia nanao fanadihadihana ny polisy nikarohana ireo jiolahy sasany tafaporitsaka. Nandritra ny fikarohana nataon’izy ireo no nahafantarana ny toerana nipetrahan’ireo jiolahy hafa ka tra-tehaka tao an-tranony ireo jiolahy miisa efatra hafa isan’ireo mpamaky trano. Mbola hita tao amin’ity trano ity avokoa ireo fitaovana fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny toy ny antsy lava lela, barre-mine, coupe-coupe, saron-tava, lampe de poche ary famaky. Hitan’ny polisy tao amin’ity trano ity ihany koa ireo entana izay nampiahiahy toy ny écran plat, imprimante, amplificateur ary lecteur CD. Hatolotra ny fitsarana anio alatsinainy izy 5 lahy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT