Vela-pandrika avo lentan’ny jiolahy

Mpitsara saika hividy fiara novonoina sy nalevina antsokosoko


  • Zoma 21 Jona 2024

Tsy hita ary nifampitadiavana nanomboka ny 5 jona lasa teo ny Mpitsara Rakotondravony Henri, « subsitut général »

na Mpisolo Tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga, eo anivon’ny Fitsarana ambony na ny « cour d’appel »’ ao Mahajanga. Ny fatiny sisa no hita omaly teto Antananarivo Renivohitra. Efa nalevin’ireo olon-dratsy ny razana vao hita sy nofongarina, ary efa potika tanteraka, izay nofongarina ny alin’ny alarobia teo. Tsy hay nojerena intsony ilay vatana mangatsiaka noho izy efa simba, hoy ny fanamarihana. Natao fizahana ao amin'ny tranom-patin'ny HJRA ary hiala ao, ny sabotsy izao, hoentina any Befotaka Avaratra Faritra Sofia. Raha ny fanazavana vonjimaika dia niakatra taty Antananarivo ny tenany nanaraka ireo voka-pifidianana nakarina taty amin’ny foiben’ny CENI ny 03 jona amin’ny maha Filohan’ny SRMV azy. Taorian'izay, izany hoe ny 5 jona, dia, taorian’ny fahavitan’ny asany teny amin'ny CENI, dia voalaza fa nanararaotra nijery fiara ho vidiana ny tenany, izay voalaza fa vao avy nivarotra ny fiarany ary efa nivonona ara-bola hividy solony. Voalaza ho niaraka nanao andrana tamin'ireo mpivarotra izy, ka toa hoe : "Porsche Cayenne" ilay fiara ary teny Atsimondrano teny ny toerana notondroin'ny valin'ny fitsirihana nanarahana ny lala-nomban'izy ireo, hoy ny mpampahalala vaovao iray omaly. Hatreto, tombanana ho tratry ny vela-pandrika avo lent aizy, ka ny vola tany aminy no antony namoan'ireo olon-dratsy nilaza ho mpivarotra fiara azy. Nilaza hijery fiara hovidiana izy taorian’izay ary nanomboka teo no tsy hita sy tsy nandrenesam-peo intsony, ary dia izao hita faty nisy namono sy nandevina izao. Olona 2 hatreto no tra-tehaky ny Polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, etsy Anosy. Ireo no nanoro ny toerana nandevenana an'ity mpitsara ity.Naneho fiaraha-miory sy nirary fiononana ho an’ny fianankavian’Itompokolahy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana Ramatoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Minisitera. « Enjehin'ny lalàna manan-kery eto amin'ny tanin’ny Repoblikan'i Madagasikara ny famonoana olona. Noho izany, ny fianakaviamben’ny Fitsarana izay tarihin-dRamatoa Ministra dia manameloka tanteraka ny famonoana ho faty ny mpiara-miasa izao. Mihatra ho an'izay meloka ny lalàna ary mandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitsarana », hoy ny fampitam-baovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT