VEHIVAVY VARIRA NISY NANAPA-DOHA

Lehilahy iray no naniraka, 10 tapitrisa Ar no sandan’ilay loha


  • Zoma 19 Jolay 2024

Fantatra izao fa lehilahy iray no tompon’antoka ary naniraka ireo lehilahy folo hafa

nahavita nanapa-doha ilay vehivavy varira iray tany amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana andro maromaro lasa izay. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nosandain’ilay naniraka 10 tapitrisa Ar ny lohan’io vehivavy io rehefa azony soa aman-tsara. Tsy mbola fantatra kosa izay antony tena ilany azy na dia efa nanamafy ombieny ombieny aza ny Filohan’ny Fikambanana miahy ny olona varira eto amintsika Atoa Soja Fulgence fa tsy misy vatosoa izany ao anatin’ny maso na lohan’ireny olona varira ireny. Raha araka ny fantatra moa dia ahiana ho tafiditra ao anatin’ity raharaha ity ny vadin’io vehivavy varira io noho ny fitiavam-bola.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby lava ireo olona varira eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT