VEHIVAVY SAIKA VOAOLANA

Tafatsoaka, voatsindron’ny antsy ny nonony sy ny tratrany


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Vehivavy iray no fantatra fa saika voaholana tany Sabotsy Namehana ny datin’ny 22 Aprily lasa teo.

Nifanena tamin-dehilahy teny amin'ny toera-mangina izy io ka nambanany antsy. Nadaraobony tamin’ny tany ihany koa mba haolany kinanjo nanohitra anefa ilay vehivavy ka notsindrominy ny antsy avy hatrany. Tafatsoaka ihany anefa ity farany ka niantso vonjy. Noho ny fiaraha-mientan'ny Zandary sy ny Fokonolona dia voasambotra ilay nahavanon-doza rah efa manaraka fitsaboana ilay vehivavy. Tsindron’antsy miisa 5 no hita teny amin’ny nonony sy ny tratrany. Raha araka ny fantatra moa dia mpiambin-tanàna io nahavanon-doza io ary mbola tratra teny aminy ny antsy nanaovany ny fandikan-dalàna. Nahitana boky 𝐓𝐨𝐮𝐬 𝐥𝐞𝐬 𝐬𝐞𝐜𝐫𝐞𝐭𝐬 𝐝𝐮 𝐬𝐢𝐤𝐢𝐝𝐲 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘, sy moara iray ihany koa teny aminy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo sikidy nampiasainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT