VEHIVAVY

NODAROHAN'NY FIANAKAVIANA


  • Zoma 06 Martsa 2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Vehivavy iray manodidina ny 28 taona no fantatra fa nodarohan'ny fianakaviany ny 09 Janoary lasa teo noho ny resaka lova. Lehilahy ilay nidaroka azy izay fantatra fa zanak'olom-pianadahy aminy ihany. Torana tsy nahatsiaro tena vokatr'izany io vehivavy io ka naiditra hopitaly mihitsy. Vakibe ny vavany hoy ny fanazavan'ny rafozany ka naharitra iray volana sy tapany izy tsy nahasakafo. Ny tena nampalahelo anefa dia io lehilahy nidaroka io indray no nitory tamin'ny alalan'ny vadiny nefa tsy naninontsy naninona akory. Mbola tany amin'ny hopitaly io vehivavy naratra io no nahazo taratasy fiantsoana avy tamin'ny mpitandro ny filaminana raha araka ny fantatra. Mba nitory koa izy ireo noho izany izay noporofoin'ny certificat médical 13 andro azon'ilay vehivavy. Indrisy anefa fa niala maina hatrany izy ireo. Rehefa narahina mantsy Ilay dosie hoy ny rafozan'io vehivavy naratra io dia efa niakatra fitsarana ny raharaha saingy tsy nahalala izy ireo. Tamin'ny alalan'ny fanarahana Ilay dosie ihany koa no nahafantaran'izy ireo fa hiverina hiakatra anio Zoma 06 Martsa eny amin'ny fitsarana indray izany. Tsy nahazo taratasy fiantsoana mihitsy anefa izy ireo. Miantso ireo manam-pahefana isan-tsokajiny araka izany ireo mañana ny maratra mba hijery akaiky ity tranga mampalahelo ity. Efa voadaroka sy naratra mantsy ny azy nefa mbola notoriana indray....
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT