Vehivavy nisy namono tao Imerintsiatosika

Mamelona zaza 2, vao avy nisara-bady


  • Zoma 23 Aogositra 2024

Renim-pianakaviana miady irery amin’ny fiainana mamelona zaza roa,

ilay vehivavy hita faty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Ambohimanga, Fokontany Miakadaza, Kaominina Imerintsiatosika andro vitsy lasa izay. Tsy mponina eny Imerintsiatosika Ratompokovavy fa mpihavy ary niasa no anton-diany teny an-toerana. Alevina anio Zoma moa ny razana raha ny vaovao azo raha tamin’ny Alarobia teo kosa no nalain’ny havany teny an-toerana ny nofo mangatsiakany. Tsiahivina fa nisy tsatok'antsy teo ambany foitran-dRatompokovavy sy tao an-damosiny ary nodidiana tamin'ny antsy ny tendany. Mbola tsy fantatra kosa izay tena nahavanon-doza hatreto. Ao anatin’ny fikarohana sy fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fakan’ny fianakaviana ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT