Vehivavy nentin’ny jiolahy an-keriny

Faty tapa-doha sisa hita 2 taona aty aoriana


  • Zoma 02 Febroary 2024

Izay vao hita ny marina mikasika ilay raharaha fanafihana mpivarotra nitranga tao

Tanamalaza Ambatolampy, lalam-pirenena fahafito tamin’ny volana Janoary taona 2022. Faty notapahan-doha no sady nalevina toy ny fatin’aliaka sanatria ny vava izany hoe : tsy nofonosina fa navarina an-tany no hitan’ireo fianakaviany. Olona sendra hanao trano ka niady fototra no nahita ny razana, 2 kilometatra miala ny tanana misy azy ireo. Ny akanjon’ilay Ramatoa nanaovany sisa no nahafantarana azy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny volana Janoary taona 2022 no nitrangan’ity tantara mampalahelo ity. Mpivarotra grosista iray no nisy nanafika ka mpivady no tratran’ireo dahalo tao an-trano. Nalain’ireo dahalo nandritra izany ny vola rehetra tao amin’ilay tokantrano ka 1 hetsy Ar sisa no tavela tao amin’izy ireo, vola izay saika hanaovana « versement ». Mbola tsy afa-po tamin’izany ireo dahalo raha araka ny loharanom-baovao azo. Mbola nofatorany teo amin’ny fandriana mantsy ilay Raim-pianakaviana sy ny zanany lahikely no sady mbola notampenany ihany koa ny vavan’izy mianaka. Tsy afaka niantso vonjeo izy mianaka nandritra izany ka ny maraina vao nisy nahita fa nisy namaky ny tranon’izy ireo. Ilay Ramatoa kosa teo an-daniny nentin’ireo jiolahy nitsoaka ka novonoiny ary izao tamin’ny afak’omaly 31 Janoary faran’ny volana izao vao hita ny vatana mangatsiakany. Efa nalevin’ny fianakaviana moa ireo taolana sisa tavela.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay toerana nahitana ilay razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT