VEHIVAVY NANENDAKA TENY VASSACOS

Nilaza fa noteren’ny tsy fisiana, nalefa eny Antanimora


  • Talata 23 Janoary 2024

Nalefa eny Antanimora omaly Alatsinainy 22 Janoary rehefa avy nanaovana fanadihadiana

ilay Renim-pianakaviana iray manodidina ny 37 taona eo ho eo tratra nanendaka teny Vassacos tamin’ny Sabotsy 20 Janoary tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Raha araka ny fantatra dia vehivavy mitovy aminy ihany avy nirava niasa sendra niantso olona an-telefaonina teny andalana no nendahiny. Niantso vonjy ilay voendaka ary tsy lavitra teo ny polisy ny PPA 4 izay nahare avy hatrany izany. Nifanenjehana io Renim-pianakaviana io noho izany ka tratra teny aminy ilay finday. Manambady izy raha araka ny fantatra ary manan-janaka roa. Araka ny filazany dia noho ny tsy fisiana no nanosika azy hanendaka izay vahaolana hany tokana hitany nefa tena nitondra azy any anaty fahaverezana tanteraka. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaovavy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireo vady aman-janak’ity Renim-pianakaviana ity no mampalahelo vokatry ny hadalany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT