VAZAHA NAMONO NY VADINY

Nalefa eny Tsiafahy naka saina


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Lehilahy tera-tany vahiny iray manodidina ny 60 taona eo ho eo no fantatra fa nalefa naka saina eny Tsiafahy

taorian’ny nahafatesam-badiny, tovovavy kely vao 31 taona monja, maty nitsilany teo ambony seza. Teny Anjomakely, Kaominina Bongatsara no nisehoan’izany ny 10 aogositra lasa teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Olon-tsotra teo an-tanana no niantso ny zandary ao Andoharanofotsy momba ity teratany vahiny ity izay fantatra fa nanakorontana teo an-tanàna tamin’io fotoana io. Mbola tratra teo am-panakorontanana mihitsy moa ity lehilahy lehibe iray ity izay efa hita fa mamo. Nilaza ny tenany nandritra izany fa maratra ao an-tranony ny vadiny ka mila vonjy. Rehefa nojerena anefa dia efa tsy nisy aina intsony ilay Ramatoa izay nahitana tsindrona zava-maranitra teo amin'ny foto-peny ary nijininika ny rà.Tsy nisy afa-tsy izy mivady anefa no tao an-trano tamin'ny fotoana nahavoa ilay vehivavy ka izay no antony nahatonga ny ahiahy nipetraka tamin-dRalehilahy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT