Fandriampahalemana

VATOFOTSY ANTSIRABE Mpanao « cash point » norobain’ny dahalo 20 lahy


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Fianakaviana iray ahitana olona 5 mianaka mpanao cash point no norobain’ny dahalo tao Miara-masoandro Vatofotsy

Antsirabe afak’omaly Alarobia hariva tokony ho tamin’ny 07 ora raha iny handeha hamonjy fodiana iny. Jiolahy miisa 20 mirongo basy sy antsy lava no nisakana azy ireo nandritra izany ary avy hatrany dia nanao teny mahery sy nandrahona hoy ny vaovao. Raikitra ny fifanjevona nandritra izany ka zazalahy kely iray 14 taona no voatifitra teo amin’ny sandri-tanany rehefa niezaka ny mba niaro ireo fianakaviany. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly moa izy amin’izao fotoana izao. Vola mitentina 300 000 Ar miaraka amin’ireo entam-barotra hafa kosa no lasan’ireo jiolahy. Miantso ny tokony hijerena ny fandriampahalemana ao an-toerana araka izany ireto fianakaviana voaroba ireto.
Nangonin’i Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT