Varotra rongony Noraisim-potsiny tao an-tranony ilay rangahy

Tratra ny lehilahy mpivaro-drongony ao Mahatsara Antsiranana.


  • Zoma 08 Aogositra 2025

Loharanom-baovao mari-pototra avy amin'ny tsara sitrapo no nahafantaran’ny Polisim-pirenena

avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany Voalohany ao Tanambao V Antsiranana fa manao ny hataony ity lehilahy ity ary mitazona sy mitahiry rongony ao an-tranony. Vokatr'izany dia nanao velam-pandrika sy fidinana tampoka ny Polisy ny 02 Aogositra lasa teo ka tratra tao an-tranony ny anaolahy. Nandritra ny fisavana dia nahitana rongony maro efa vita fonosana tao an-tranony, nafenina tamin’ny toerana samihafa saingy hita ihany izy rehetra. Nitontaly 2,2 kilao ireo rongony rehetra hita tao amin’ity lehilahy ity. Nosamborina avy hatrany izy ary nentina teny anivon’ny kaomisaria natao fanadihadiana. Taorian’izay dia natolotra ny fampanoavana ary nidoboka am-ponja vonjimaika ny 6 Aogositra teo ilay lehilahy.
Pati
Légende : Any am-ponja no hanohizan'ilay ranamana ity ny fiaina 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT