Fandriampahalemana

Varotra rongony Efa maka saina eny Antanimora ilay nahatrarana 80 fonosana


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Lehilahy iray nanao fihetsika hafahafa no saron’ny polisy teny Ilanivato ny alakamisy 07 jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany hariva.

Raha araka ny fantatra dia nivarotra rongony ity lehilahy ity, antony naha kaodikaody azy. Rehefa natao ny fisavana azy dia nahitana fonosan-drongony 80 isa teny aminy ka nentina avy hatrany teny amin'ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana ny anaolahy. Natolotra ny fitsarana avy hatrany izy taorian’izany ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Tsiahivina moa fa 2 isan-kerinandro raha kely ireo olona tratra mivarotra na mifoka rongony eto an-drenivohitra hampidirina eny amin’ny fonjaben’Antanimora.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay lehilahy sy ireo rongony tratra teny aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT