Vao nivoaka ny fonja vao haingana

Lehilahy iray tratra namaky trano indray


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Betsaka ireo resabe nandeha teny anivon’ny fiarahamonina teny tato ho ato mikasika

ireny olona nivoaka ny fonja ireny na tamin’ny fanalefahan-tsazy azony tamin’ny faran’ny taona izany na noho ny fahataperan’ny saziny. Diso mahazo vahana loatra mantsy ny fanolanana sy ny vaky trano ary ny fanendahana izay tsy mifidy toerana sy ora intsony. Tsy misy hafa amin’izany ity zava-nitranga teny Ankazomanga ity, andro vitsy lasa izay. Lehilahy iray 29 taona ny 30 Janoary no tratra namaky trano ambodiomby izay fantatra fa vao avy nivoaka ny fonja vao haingana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahazo fitarainana ny mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny maikasika ny fahavakisana trano eny an-toerana ka nahaverezana karazan’entana maro. Manoloana izany, nanamafy ny hetsika fisafoana ny tanana ireo Polisy.Vokany, tratra ambodiomby teo am-panatantetahana ny asa ratsiny ity lehilahy voalaza etsy ambony ity niaraka tamin’ny fahita lavitra vao avy nangalarina. Natolotra ny fampanoavana ny 01 febroary teo ny anaolahy ary naiditra am-ponja eny Antanimora.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ilay vata fahitalavitra ecran plat nangalariny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT