Vanim-potoanan’ny fifidianna

Mihamafy indray ny fakana an-keriny sy fitakiana volabe


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Raha hiverenana, nitrangana fanafifana mahery vaika tao Fieferana anatin’ny kaominina Marovazaha ny 15 aprily lasa teo. Olona 02 no namoy ny ainy, ary olona 3 lasa takalon’aina ka lehilahy ny 2 ary vehivavy kosa ny 1. Ny faran’ny herinandro nolalovantsika teo, mandefa hafatra amin’ny fianankavian’ireo lasibatra ireo olon-dratsy, ary mitaky vola be 140 tapitrisa Ar ho tambin’ny famotsorana ireo olona 3 nalaina an-keriny ireo. Noho izany, miantso ny Fanjakana hiditra an-tsehatra, hanao izay azo atao ireo fianankaviana mba hamonjena ireo havany. Mandrahona mafy mantsy ireo olon-dratsy. Teo aloha, dia nambara fa resy ny asan-dahalo sy fakana an-keriny tany Ankazobe, saingy io miverina io indray izy. Ny faram-paran’ny taona 2023 nialohan’ny fifidianana no tena nahery vaika izy ka asa fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana indray isika no mitranga izany? Sao sanatrian’ny vava misy ambadika politika toy ny fitadiavam-bola hoentina manao propagandy ka ny vahoaka no hatao lasibatra amin’ny fanaovana takalon’aina hahazoana volabe? Iny faritra iny sy ireo mifanolo-bodirindrina aminy ihany koa dia toerana isan’ny tena misy harena an-kibon’ny tany ka sao misy ifandraisany amin’izany ny tsy fandriampahalemana tsy mety fongana? Andaniny, nanatanteraka fivoriana ifotony OMCNAT "délocalisé" ho an'ireo tompon'andraikim-panjakana voafidy sy voatendry, ary ny avy amin'ny Hery Fiarovana sy Filaminana, na ny FDS tao Amboasary avaratra, Disitrikan'Anjozorobe, sy tao Ambolotarakely, Distrikan'Ankazobe ny Praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo Nihaino ireo tompon'andraikitra ifotony ny tenany manoloana ireo tranga any an-toerana. Nisy koa ny fivoriana manokana niarahany tamin'ny tompon'andraikitry ny fiarovana, notronin'ireo Minisitra efatra mianadahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy, Ramatoa Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana no sady Minisitry ny Fitsarana, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andry, Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena . Niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra mpiantsehatra amin'ny fandriampahalemana. Nomena toromarika fa tsy maintsy apetraka ao anatin'ny fotoana fohy ny paikady vaovao, entina hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana ao amin' ny Distrikan'Anjozorobe, sy ny Distrikan'Ankazobe, ary ny manodidina azy ireo, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT