VANGAINDRANO

Tra-tehaka ny rongony 15 gony, milanja 167 kg


  • Alarobia 27 Martsa 2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

izay milanja 167,300 kg sy ny mpisera azy iray rehefa natao ny vela-pandrika tany Vangaindrano. Tafaporitsaka ny olona roa raha vao nahita zandary. Raikitra ny fanenjehana tao anaty haizina ka tsy hita ny iray fa ny faharoa nitsoraka tao anaty rano no nipoitra teny am-povoany. Nampitandremana sy nanaovana tifi-danitra izy io fa tsy nanaiky ka voatery nitifitra ny zandary ary nahavoa ny lohany. Teo vao nanaiky hiverina izy ary nentina teny amin’ny hopitaly haingana ka efa tsy misy ahiana ny ainy. Mbola karohina kosa anefa ilay tafatsoaka. Nogiazana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Vangaindrano moa ireo rongony ireo ary mitohy ny fikarohana.

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT