Fandriampahalemana

VANGAINDRANO Avotra ilay zazalahy kely varira nisy naka an-keriny


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Tsy mitsahatra ny mifofo ny ain’ireo ankizy manana toe-tena varira eto amintsika jiolahy.

Zazalahy kely vao 8 taona monja indray no fantatra fa nalain’ny jiolahy ankeriny tany Vangaindrano afak’omaly Talata 18 Jona. Avotry ny mpitandro ny filaminana soa aman-tsara anefa izy io omaly ary efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia Polisy nanao fanamiana sivily no nasaina nifampiresaka tamin'ireo mpaka an-keriny fa hividy ilay zaza. Nanome fotoana sy toerana ireo jiolahy hanaovana ny takalo. Efa niomana anefa ireo Polisy tamin’ilay fotoana ka rehefa tonga tamin'ny toerana voatondro tao amin'ny kaominina ambanivohitr’Anilobe, distrikan'i Vaingandrano izy ireo nosamborina avy hatrany ny dahalo iray sy ny vehivavy iray hita tao amin'ny tranon'ireo mpaka an-keriny. Manambara ombieny ombieny moa Atoa Fulgence filohan’ny Fikambanan’ireo olona varira eto amintsika fa tsy misy vatosoa izany na volamena any anatin’ny mason’ireny olona varira ireny noho izany tokony hatsahatra ny fampahoriana sy ny fakana an-keriny azy tahaka izao.
Pati
Legende : Ity avokoa soa aman-tsara eny an-trotroan’ny mpitandro ny filaminana ity ilay zazalahy kely tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT