Fandriampahalemana

Vaky trano teny Iavoloha Mpihavana avokoa ireo olona 8 voasambotra


  • Talata 14 Aprily 2020

Nitrangana vaky trano teny Iavoloha ny 20 martsa lasa. Nokorontan'ireto jiolahy avokoa ny entana tao an-trano nandritra izany ary ny kitapo misy vola mitentina 40 tapitrisa ariary ihany no lasan'izy ireo .

 

 

 

Nofatoran' ireto olon-dratsy moa ny mpiambina sy ilay mpanampy tao an-trano izay marihina fa mpivady izy ireo. Rehefa nanao ny famotorana anefa ny polisy dia fantatra fa fitaka avokoa ny fihetsika mody namatorana ilay mpiambina sy ilay mpanampy ary lainga natao tamin'ny tompon-trano sy ny polisy avokoa izany hanaronana ny ratsy nataon'ireto mpiasa ireto . Tsy hita intsony moa ireo mpiasa ireto ny ampitson'ilay trangana vaky trano. Nandeha ny fanadihadiana ka olona valo no fantatra fa nanao ity vaky trano ity. Ny 08 Aprily lasa teo dia voasambotra teny Anjomakely Ivato ilay mpiambina sy ny zaodahiny izay isany samy nandray anjara mivantana tamin'ny fanafihana . Ny 09 Aprily indray dia tra-tehaka teny amin'io toerana io ihany koa ny anabavin'ilay mpiambina izay mpandray ny entana halatra . Ny 10 Aprily dia tratra tao amina trano iray teny Andakana (Ambohidratrimo)ny olona miisa 03 niray tsikombakomba tamin'ny fanaovana ilay vaky trano izay tsy iza fa ny vadin'ilay mpiambina sy ny anabaviny anankiray hafa ary ny zaodahiny iray hafa koa. Ny andron'io ihany koa dia tra-tehaka teny Anjomakely ny lehilahy iray mody namatotra ny mpiambina sy ilay mpanampy ary koa namaky ny varavarana.Mbola nahatratrarana moto halatra ihany koa moa tany amin'ity farany. Tsara ny manamarika fa efa nozarain'ireto olon-dratsy ny vola ary samy nanao izay nanafenany azy avy ka nisy ny nandevina ny azy teny an-tsaha , nisy ny nanafina izany tany anaty valan'omby ary ny sasany tratra tao an-tranony. Manana rohim-pihavanana akaiky avokoa moa ireo olona tratra ireto ary mipetraka tsy lavitra ilay trano novakian'izy ireo. Efa tafaverina any amin'ny tompony moa ny vola 30 tapitrisa Ar ary mbola mitohy ny fanadihadiana hataon'ny polisy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT