Tokantrano iray no indray notafihina jiolahy miisa 7 teny Antanetibe Ilafy ny Zoma alina nifoha Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy 40 minitra.
Ny 2 tamin’ireo no fantatra fa nisaron-tava raha nanao arovava orona kosa ny 5 ambiny. Fanerena ny varavarankely hivoha tamin’ny alalan’ny baramina no nahafahan’izy ireo niditra ny trano ka nakatona tao amina efitrano iray avokoa izy 5 mianaka tompon-trano niaraka tamin’ny mpanampy mba tsy ho afaka hiantso vonjy sy hanelingelina azy ireo, raha ny fantatra. Nampiasa basy vita gasy ireo mpanao ratsy nandritra izany no sady nitaky vola tamin’ilay Ramatoa tompon-trano no namepetra ihany koa fa tsy hamono na hikasin-tanana ireto farany izy ireo raha toa ka hendry tsara izy 5 mianaka. Raha araka ny iraka nampanaovin’ny sasany azy 7 mirahalahy ireto mantsy, hono, dia manam-bola hividianana fiara ilay Ramatoa tompon-trano ka izay no tena notadiaviny. Nanamafy anefa ity farany fa tsy manana izany fa diso adiresy ireo mpanao ratsy. Sorena vokatr’izany ireo jiolahy ka tapitra nahoron’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-tokantrano. Nandritra ny ora 2 no nanaovany izany, nohaniny hatramin’ny sakafo tao anaty vata fampangatsiahana ka sio plastika kely iray nisy fotsim-bary sisa no hany navelany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.