Fandriampahalemana

Vaky trano teny Ankasina Lehilahy roa nampidirina am-ponja vonjimaika


  • Talata 19 Mey 2020

Lehilahy miisa roa, 27 sy 30 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin'ny kaomisaria 67 ha ny zoma 15 mey teo noho ny resaka vaky trano.

 

 

  Lehilahy iray 56 taona no tonga nametraka fitoriana tao amin'ny biraon'ny polisy 67 ha ny 15 aprily lasa teo fa nisy namaky ny tranony fitehirizany entana tao Ankasina. Araka ny fanambarana nataon'ity lehilahy ity dia ny marainan'ny alatsinainy 11 aprily teo tokony ho tamin'ny 09 ora teo ho eo izy no nahatsikaritra fa nisy fahabangana ireo entany tao nefa ny trano mihidy. Lasa tamin'izany ny kojakojana fiara maromaro mitentina 2 tapitrisa Ar. Rehefa nohadihadiana ity lehilahy ity dia nanondro lehilahy mpitarika sarety iray izay nahiahiny fa nahavita izao asa ratsy izao. Ny 15 mey teo dia nampanantsoina tao amin'ny biraon'ny polisy ity lehilahy mpitarika sarety ity natao famotorana. Niaiky avy hatrany moa ity farany vao nohadihadian'ny polisy ary mbola nanondro ny namany iray izay nanampy azy tamin'ny famoahana ireo entana nangalarina. Nosamborina ny sabotsy maraina 16 may teo ity lehilahy namany ity. Samy niaiky ny heloka nataony izy roa lahy ireo. Natolotra ny fitsarana ny sabotsy teo izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT