VAKY TRANO TENY AMBOHIMANGA ROVA

Sarona teny Ambodisiarivo ny olona nitondra ilay moto


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Nitrangana vaky trano tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohimanga Rova,

distrikan’Avaradrano afak’omaly Sabotsy 10 Aogositra alina. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka anisan’ny nanjavona tsy teo amin’ny toerany intsony ny vata fahitalavitra sy ny kodiaran-droa an’ny tompon-trano. Sendra nifoha nivalan-drano ity farany no gaga raha nahita fa nivoha nidanadana ny varavarankely ary efa tsy tao amin’ny toerany intsony ireo fananany ireo. Nampandre ny Zandary ao amin'ny Borigadin’Ambohimanga Rova ny tenany ka natao ny fitsirihana sy ny fanarahan-dia.Noho ny paikady efa napetraka mialoha sy ny fiaraha-miasa amin'ireo sefom-pokontany ao an-toerana dia voasambotra teny Ambodisiarivo ny olona nitondra ilay Moto. Nanonona ny namany niara-nanao ny famakiana trano taminy ity farany ka olona miisa 3 no voasambotra, voarohirohy ho nandray anjara mivantana sy niray tsikombakomba tamin'izao raharaha izao. Renim-pianakaviana mitaizakely ny iray. Entana maro azo avy amin'ny asa ratsy fanaon'izy ireo ihany koa no mbola sarona nandritra ny fanadihadiana izay natao.
Pati
Legende : Ireto ry zareo niray tsikombakomba tamin’ilay vaky trano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT