VAKY TRANO TENY AMBOHIMAHITSY

Tovolahy iray no voasambotra, efa nigadra


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Tokantrano maromaro no fantatra fa efa vaky tao amin'ny faritra Ambohimahitsy, Ambatomaro,

Ambohimangakely ary Soamanandrariny tato anatin’ny 3 volana izao. Tao amin’ity tanana farany no naharaisan'ny Poste Avancé-n’ny zandarimariam-pirenena Soamanandrariny fitarainana betsaka indrindra ka niroso tamin’ny fisamborana ny olon-dratsy izy ireo. Nisy ny olona efa noahiahiana tamin'izany ka natao ny fikarohana.Voasambotra ny Sabotsy 13 Jolay teo teny Ambohimahitsy vokatr’izany ny tovolahy iray anisan'ireo ahiahiana ho isan'ny mpanao ireo vaky trano ireo.Niaiky avy hatrany ny fandikan-dalàna izay nataony ny lehilahy rehefa nanontanian'ny Zandary.Efa in-droa nifonja noho ny raharaha vaky trano koa izy, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Mbola karohina kosa ireo namany hafa. Pati
Legende : Ity ilay tovolahy anisan’ireo mpanaky trano nampikaikaika ny mponina teny Ambohimahitsy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT