Fandriampahalemana

Vaky trano tany Melaky Entana maro be no tratra tao amin’ilay tovolahy


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Tovolahy iray mpamaky trano ary efa nampitondra faisana tokan-tranon’olona maro tao amin’ny tanànan’i Maintirano no saron’ny mpitandro ny filaminana omaly.

Ny alakamisy 20 oktobra 2022 no sarona ity lehilahy ity raha tsiahivina. Malaza mpamaky trano ary tsy mifidy ireo entana hangalariny izy ao anatin’ izany, ka raofiny avokoa izay hitany ao amin’ireo tokan-tranon’olona hidirany. Nanao ny fisavana ny toerana misy azy teny Ampasimandroro Maintirano noho izany ny Polisim-pirenena rehefa nahazo fanampim-baovao mahakasika azy teo amin’ny manodidina. Hita tao amin’ny trano fonenany avokoa vokatr’izany ny karazana entana maro sy kojakoja fampiasa ao an-tokantrano . Marihana fa halatra avokoa ireto tra-tehaka ireto ary nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana ihany koa teny aminy izay nambarany fa nangalariny ihany koa. Mitohy araka izany ny fanadihadiana hataon’ny Polisim-pirenena mahakasika ity raharaha ity sy fitadiavana ireo namany hafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT