VAKY TRANO TANY MAEVATANANA

Voasambotra teny Mahitsy ny atidoha


  • Talata 19 Martsa 2024

Voasambotry ny polisy miasa ao amin'ny kaomisarian’i Maevatanana tao Mahitsy,

distrikan’ Ambohidratrimo, ny lehilahy iray tompon'antoka tamin'ny halatra niseho tao Ambodimadiro, kaominina ambonivohitr’i Maevatanana ny 16 Martsa lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy halatra niseho tao amina tokatrano iray tao Ambodimadiro Maevatanana ny 11 febroary teo ka nahaverezana solosaina sy finday, ary kojakoja maro samihafa. Fantatra tamin'izany fa lehilahy iray no tompon'antoka ary efa nitsoaka niakatra nankaty an-drenivohitra rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Nokarohina ary nanaovana vela-pandrika ity jiolahy ity, ka fantatra fa niery tao Mahitsy Distrikan'Ambohidratrimo, faritra Analamanga. Tao amina tokantrano iray no fantatra fa niantranoany ary hita tao tokoa ny anaolahy. Tratra niaraka taminy ihany koa ireo olona telo hafa izay nahitana lehilahy miisa roa sy vehivavy iray mpiray tsikombakomba taminy. Nosamborina avy hatrany ireto olona miisa efatra ireto ary noentina namonjy ny kaomisarian’i Maevatanana avy hanaovana fanadihadiana. Solosaina entin-tanana marika Asus izay halatra tamin'ilay andron'ny 11 Febroary no mbola hita tao amin'ilay tokantrano niafenany ary fantatra ihany koa fa zokiny iraitampo aminy ny iray amin'ireo olona telo hafa mpiray tsikombakomba aminy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy niray tsikombakomba tamin’ny vaky trano tany Maevatanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT