Fandriampahalemana

Vaky trano any Belo Tsiribihina Vehivavy bevohoka no tena tompon’ny ketrika


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Tsy ny lehilahy irery intsony amin’izao no tena manan-talenta amin’ny famakiana-trano sy ny asa fanendahana fa efa tena manao ihany koa ny vehivavy.

 

 

 

Tsy vehivavy tsotra anefa izany fa mbola bevohoka ihany koa sady mitaiza kely toy ny nitranga tany amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina. Anisan’ireo efatra tratra vokatry ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana ity Ramatoa bevohoka 7 volana ity, ary manan-janaka vao enin-taona monja. Mampiavaka azy sy ireo ekipany ny fanaovany ny asa ratsy amin’ny andro atoandro ka ireo trano mihidy lava no tena kendreny. Vokany, tafakatra roa isan’andro ny trano vaky any amin’ity distrika iray ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana moa izy 4 mianadahy ireo koa inoana fa tsy hisy ho afa-maina ary samy hahazo ny sazy sahaza azy avy.

Nangonin’i Pati

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT