Fandriampahalemana

Vaky ny fonjan’Ikongo Gadra 120 tafatsoaka


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Korontana tsy nifankahitana ny tany Ikongo omaly. Nandritra izany no nahavaky ny fonja any an-toerana, izay misy gadra manodidina ny 120 eo ho eo.

Raha ny fanampim-baovao tamin’ny talen’ny seraseran’ny minisiteran’ny fitsarana Atoa Napou Jérémie, dia niniana novakiana mihitsy ity fonja ity. Fikatsahana fitsaram-bahoaka no tanjona. Nisy olona maromaro voarohirohy tamina resaka vono olona, ka tonga nirohotra teny amin’ny fonja ny fokonolona nitaky ny hamoahana azy. Ny 2 tamin’ireo no tena notadiavin’ny vahoaka hovonoina mivantana. Tetsy an-kilany anefa, efa nandray fepetra mialoha ny fiadidian’ny fonja, ka namindra toerana ny gadra miisa 10 tao an-toerana, ary efa tsy tao intsony ilay olona nokasaina hovoinoina amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy nisy andraso andraso kosa ny an’ireo vahoaka efa tena romotra sy tsy te hahalala izay mety lalàna sy fanazavana, fa dia namaky ara-bakiteny ity fonja ity, ka tafaporitsaka avokoa ny gadra rehetra tao an-toerana.  Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny talen’ny serasera eo anivon’ny fitsarana hatrany, dia efa nisy vitsivitsy niverina ireo gadra tafavoaka ireo satria tsy nihevitra ny hitsoaka ny fonja velively, saingy tojo ity famakiana ity. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana kosa dia azon'ireo namaky ny fonjan'Ikongo takalon'aina ny sefo distrika ao an-toerana. Nisy mpandraharahan’ny fonja nosamborin’izy ireo natao takalon’aina ihany koa, saingy efa navotsotra rehefa nentina teo anatrehan’ny ampanjaka. Omaly ihany dia efa nisy mpitandro ny filaminana marobe avy ao Fianarantsoa sy avy aty Antananarivo niainga mba hampandry tany any Ikongo.

Sambany teo amin’ny tantara

Tranga tsy dia fahita firy ny toy izao, ary sambany teto Madagasikara ny nisian’ny vaky fonja nataon’ny olona maro avy ety ivelany, ka nahatafaporitsaka olona an-jatony. Ny volana novambra 2016 kosa no nisian’ilay gidragidra fitakiana fitsaram-bahoaka tao Mampikony, izay nisian’ny fitifirana nahafatesana olona iray mihitsy. Tovolahy 21 taona voarohirohy ho namono tovovavy 18 taona ny 19 novambra ihany koa tany Tsaratànana notakian’ny olona hatao fitsaram-bahoaka, ka raikitra ny sakoroka teo amin'ny biraon'ny zandary, izay nisian’ny fahatifirana tsy nahy ny raim-piaianakaviana iray teo amin’ny tongony mihitsy. Miha romotra ny olona, indrindra fa amin’ny resaka vono olona ary tsy te hahalala izay lalàna any intsony. Mila mandefa saina lavitra anefa satria mety ho tondro molotra no hamonoana olona, ary helohin’ny lalàna izany. Anisan’ny antony tsy fahatokisana manampahefana toy ny mpitandro ny filaminana, mpitsara,… noho ny resaka kolikoly, ka mila finiavana fampisehoana ezaka amin’izy ireo ny fisorohana ny zavatra tahaka izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT