Fandriampahalemana

Vaky indray ny Antanimora Hazo sy lamba no nampiasain’ireo gadra


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Efa lasa tranga mahazatra eto Madagasikara ve ankehitriny ny fonja vaky ? Vaky indray ny fonjan’Antanimora ny alin’ny sabotsy 10 febroary teo. Telo lahy ny gadra nohazonina tao amin’ny efitrano « A1 » fantatra fa tafatsoaka, dia Rafalimanana Nirina Dominique, voafonja (MD- 11 / 09 / 2012) noho ny resaka fanaovana vola sandoka,

 

 efa notsaraina izy ka gadra mandra-pahafatiny,  Rakotoarisoa Henintsoa Raphalk, voafonja ( MD- 17 /03 / 09 ) noho ny resaka vono olona ka voasazy15 taona an-tranomaizina ary  Raharijaona Solofoniaina, voafonja (MD - 05 / 04 /2017) noho ny raharaha fanolanana fa tsy mbola voatsara izy io. Ny "chef de poste" nanao fisafoana moa no nahita io tranga io, tokony ho tamin'ny 12 ora alina, araka ny fanampim-baovao. Voalaza fa nihanika rindrina izy telo lahy ireo ka afa-nitsoaka teo amin'ny varavarankely. Mihidy tsara ny "chambre" rehetra saingy nampiasa hazo (Planche) sy lamba natambatambatra ry zalahy ka izany no nahafahan’izy ireo nivoaka ny varavarankely sy nihanika ilay rindrim-be ary nidina tsimoramora dia nitsoaka avy eo. Efa mandeha ny fikarohana momba azy ireo ary efa mipetraka eny Antanimora ny "avis de recherche". Manampy ireo efa ho 130 mbola karohana noho ny fonja vaky tany Ambatondrazaka, Ikongo, Tsiafahy indray izany izy telo lahy tafaporitsaka tao Antanimora ireto. Ny eo tsy tratra, ny hafa mitsoaka ihany. Moa ve tena tsy ampy mihitsy ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny fonja rehetra eto Madagasikara sa ny mpiambina fomba no tsy mahavita tsara ny asany, mba tsy hitenenana zavatra hafa. Sa ireo gadra ve no miha marani-tsaina ka mahavita zavatra tsy noeritreretina ? Efa niaraha-nahita tsara izao ny fitsoahana gadra nisesisesy tamina faritra maro dia tsy nohatevenina ihany ve ny fiambenana ny fonja na nohatsaraina ny fomba fiasa ? Asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa ny sabotsy teo koa no nanomboka niparitaka ny vaovao milaza fa nitory ny minisitry ny fitsarana Malagasy sy ny tonia mpampanoa lalàna eto Antananarivo miampy olona vitsivitsy any amin’ny fitsarana Frantsay i Houcine Arfa, ilay gadra tafaporitsaka ny faran’ny taona teo ary mialokaloka any Frantsa ; nafana be koa tamin’iny herinandro lasa iny ny resaka vola amina miliara tsy mazava momba ny tsenam-barotry ny fanjakana taona 2016 amin’ny alalan’ny ARMP,  dia indro avy eo fa vaky tampoka ny sabotsy alina ny fonjan’Antanimora.


Jean D sy RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT