VAKY FASANA SESILANY AO AMBATOMANGA

« Drokitrokian’ny jiolahy ny mponina satria mahantra»


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Lasa faritra mena ny tananan’Alarobia Ambatomanga raha faran’izay nilamina teo aloha.

Tato anatin’ny iray volana mantsy izao dia fasana miisa 3 no indray vaky ka vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny iray farany raha araka ny fanazavan’ireo valala mpiandry fasana. Tamin’ny volana Septambra taona 2024 kosa no nitranga ny vaky fasana iray ka ny lohan’ireo olona efa maty sy ny lambany nofonosan’izy ireo sisa no navelan’ireo tsy mataho-tody. Raha araka ny fanazavan’ireo valala mpiandry fasana hatrany dia vokatry ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina no mahatonga izany. Tena mafibe ny fiainana ao amin’ity kaominina ity amin’izao hoy hatrany ny fanazavany indrindra fa ny resa-bola izay tena mangidy tokoa. Tsy maharitra ny drokidrokin’ireo jiolahy avy any ivelany ireo tsy an’asa…vokatr’izany hany ka manaotao foana. Nomarihiny moa fa mbola tsy nisy tratra ireo mpanao ratsy. Ny hany fantatra hoy izy dia misy miray tendro amin’izy ireo ny olona ao an-tanana.
Pati
Legende : Hanjakan’ny vaky fasana ny ao Alarobia Ambatomanga !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT