Vaky fasana

Mijanona ho misitery hatramin'izao


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Andian-jiolahy nikasa hamaky fasana no voasambotra ny 8 septambra 2024, hariva teo tao Andraingory,

Lohomby kaominina ambanivohitra Mantasoa, Manjakandriana.Efa maro ihany izay mpamaky fasana sympangalatra taolam-paty voasambotra izay nanomboka ny taona '90 no mankaty saingy tsy mety fantatra izay tena marina hatramin'izao. Taorian'ny krizy politika sy hetsi-bahoaka ny taona 1991-1992 ka nandrodana ny repoblika faha-2 no nanomboka ny vaky fasana ay halatra taolam-paty ka ny faritr'Alaotra no tena lasibatra tamin'izany. Taorian'izay moa dia niitatra tamin'ny faritra maro be manerana ny nosy ilay izy.
TOMBATOMBANA NO BETSAKA
Tsy nisy hatreto aloha fanazavana ofisialy avy amin'izay fitondram-panjakana rehetra nifandimby teo hoe fa inona marina no mahatonga ny olona hamaky fasana sy hangalatra taolam-paty. Ny hany re dia hoe misy mividy lafo ireo taolan-dava. Fa tsy mbola fantatra kosa hoe vidiana lafo dia atao inona moa ? Maro ny resabe sy tombatombana, eo ny hoe aondrana any ivelany fa anisan'ny akora hanamboarana ireo karazan-javatra ampiasaina amin'ny fikolokoloana tarehy sy vatana. Misy feo milaza indray fa hoe arendrika dia atao fitondrama volamena na vato sarobidy na rongony ny taolana satria tsy tateraky ny taratry ny scanner hono. Ao koa anefa ny milaza fa hoe fanakorontanana saim-bahoaka fotsiny io . Tombatombana no betsaka fa tsy tena misy fanadihadiana lalina vita ka hoe nampahafantarina ny daholobe ny valiny. Tahaka ny resaka dahalo ihany e !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT