Fandriampahalemana

Vaky fasana, fakana an-keriny zaza varira Lehilahy 4 voasambotra tany Taolagnaro


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’i Taolagnaro afak’omaly alatsinainy 19

desambra tokony tamin’ny 01 ora maraina rehefa namaky fasana sy nivarotra taolam-paty tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankiranomena. Araka ny angom-baovao azon’ny polisy, dia misy olona mpanao trafikana taolam-paty ao anatin'ity tanana ity. Napetraka ny paik'ady rehetra hitadiavana ireo jiolahy voakasik’izany. Araka ny vaovao azo ihany, dia mitady olona hiara-hiombon’antoka aminy izy ireo amina aferana taolam-paty sy fakana an-keriny zaza varira. Fantatra araka izany fa nisy ny fotoana nifanaovan'ireto olon-dratsy ka tamin’ny Alatsinainy teo no fotoana voatondro nanaovana ilay fifampivarotana. Olona 04 no tonga tamin’ilay fotoana izay nitondra sachet mainty. Tamin’izany indrindra no nisamborana azy ireo. Saika hanohitra ihany ireto jiolahy ireto saingy efa voadidina polisy ny toerana. Ny iray nahatrarana basy vita gasy izay efa nisy bala ana calibre 12, ny telo ambiny kosa efa nitana famaky tsirairay avy. Rehefa nosavaina ilay sachet plastika mainty dia nahitana taolan-dava miisa 85 izay vao nalaina tao amin’ny fasana tany amin’ny fokontany Sakoamasay, kaominina ambanivohitr’Ankaramena ihany. Noentina avy hatrany tany Taolagnaro izy efatra ireto nanaovana fanadihadiana. Fantatra ihany koa fa 18 taona ny zandriny indrindra amin’ireto jiolahy ireto ary 43 taona ny zokiny indrindra. Pati Legende : Ireto ry zalahy mpanao aferana taolam-paty sy mpaka an-keriny zaza varira
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT