Vaky fasana etsy sy eroa

Razana am-polony indray no lasa tany Alakamisikely


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Voazimbazimba tanteraka ny hasin'ny maha-Malagasy.

Razana am-polony indray no voakirakira ny alin'ny 19 Aogositra lasa teo tany Alakamisikely, distrikan'Arivonimamo. Tao anatin'ireo fasana miisa 3 vaky ireo razana ireo ka tsy nisy tavela na dia kely aza hoy ny vaovao. Olona sendra nandalo moa no nahatsikaritra ny fahavalisan'ireto fasana ireto ka nanaitra ny manodidina. Efa tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana ary efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana. Efa nahazo vaovao ihany koa ny ankamaroan'ny fianakavian'ireo maty. Marihina fa tsy mety foana ny vaky fasana eto amintsika. Misy ihany ireo olona tratra ary efa naiditra am-ponja vonjimaika saingy mahavita manao vy very ny ainy mihitsy tsy sahy mitoroka ireo tena ati-doha naniraka azy.
Pati
Légende : Mirongatra indray ny vaky faisana eto amintsika !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT