Fandriampahalemana

Vahoakan’Ankafotra Manalalondo “Avotsory ny namanay nogadraina”


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Sorena mafy amin’ny zava-misy iainany ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny faritr’Ankafotra Manalalondo.

Vory marobe izy ireo omaly no sady milanja sora-baventy mangataka ny hamoahana ireo namany 8 mirahalahy nampidirina am-ponja ao Arivonimamo. “Izahay efa miaina ao anaty tebiteby andro aman'alina miharo ny fanananay hoy izy ireo miezaka mivelona sy mamboly kanefa dia mbola hijaliana koa ny tsy fandriampahalemana. Rehefa ny dahalo no mamono fokonolona tsy misy resaka hoy izy ireo fa rehefa ny fokonolona no mahafaty dahalo dia gadraina tahaka izao”, hoy ireo fokonolona. Raha tsiahivina tokoa mantsy ny tantara dia nisy dahalo matin’ny fokonolona tany amin’iny faritra Ankafotra Manalalondo iny, andro maromaro lasa izay. Nahatsiaro ho naharary loatra ireo tantsaha mpamokatra amin’ny fandripahana ny fananany toy ny fandorana ny tanana sy ny famoahana ny omby, antony nanosika azy ireo hanao fitsaram-bahoaka tahaka izao. Nilaza moa ireo mponina fa tokony havoaka tsy misy fepetra ireo namany miisa 8 ireo raha tian’ny fitsarana ny tsy hahatongavan’ny tranga toy ny niseho tany Ambatondrazaka dia fanafihana ny fonja izany. Tonga nanatrika ny hetsika nataon’ireo fokonolona ireo moa ireo tantsaha namana avy any amin'ny tapany avaratr'Arivonimamo, Mahitsy, Miantsoarivo, Alakamisikely, Ampahimanga,….

Nangonin’i Pati Legende : Nilanja sora-baventy tahaka izao ireo fokonolona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT