Fandriampahalemana

Vahoaka nirohotra teny amin’ny fonja Nirefodrefotra ny basy tao Ambatondrazaka alina


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Nirefodrefotra ny poa-basy tao amin’ny Renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro omaly efa madiva ho alina. Nanao be

fiavy nirohotra nakany amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, ka nitokona tao an-toerana mantsy ireo vahoaka avy any Mangalaza. Antony ny fitakian’izy ireo ny hamoahamana ny namany, izay notanana am-ponja, voarohirohy tamin’ny raharaha fitsaram-bahoaka, nitranga tany amin’ny herintaona lasa tany ho any. Olona an'arivony avy ao Mangalaza no niantrana manoloana ny fonja, mitaky ny hamohahana ny naman'izy ireo izay notazomin'ny fitsarana, hoy ny tatitra vonjimaika. Voatery nanapoaka basy nentina nanapariahana ireo mpioko ny tao amin’ny fonja. Voalaza fa misy amin’ireo notanana moa no tangalamena na olobe tao an-tànana, ka isan’ny tsy nahafaly ireo vahoaka ankilany. Tsara ny mampahatsiahy, fa anisan’ny faritra mena ny fonja, ary tena saropady, ary azo sokajiana ho fikomiana amin’ny fahefam-panjakana ny tahaka izao amin’ny lafiny iray. Matoa ihany koa anefa tonga amin’izao ny fihetsiky ny vahoaka, dia mety mahatsapa zavatra tsy ara-drariny. Andrasana ny tohiny sy ny akony, fa somary hafahafa ihany itony endri-javatra miseho itony, izay toa manamafy fa mikorontana ny firenena. Ny fonjan’I Mananjary vaky, ny tany Ambatondrazaka tafihin’ny andiam-bahoaka,… Fifandrifian-javatra sa ilay fitoniana sy fandriampahalemana eto amin’ny firenena mihitsy no efa tsy voafehy intsony?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT