TSY NETY NIVERINA TAO AN-TOKANTRANONY

Novonoin-dRalehilahy ny vadiny, maty voatifitra koa izy


  • Alatsinainy 14 Jolay 2025

Nitrangana toe-javatra mampalahelo ny 10 Jolay lasa teo tamin'ny 06 ora sy sasany

hariva tao Antsakay, Fokontany Ankoririka kaominina ambanivohitra Kiranomena, Faritra Bongolava. Mpivady vao herotrerony, 18 taona ilay tovovavy raha 41 taona ilay Rangahy no indray namoy ainy.Efa nisaraka ela izy mivady ireo, raha araka ny vaovao azo. Nangataka fampodiana Rangahy saingy tsy nety intsony Ramatoa. Namoaka vava araka izany Rangahy fa rehefa tsy ho azy ihany dia tsy avelany ho an'olon-kafa ihany koa. Ny marainan'ny 10 Jolay teo raha nandeha niady mangahazo tany an-tanimboly ilay vehivavy, 1km miala ny tanàna dia tsy niverina intsony.Nandeha ny fikarohana azy nony hariva saingy vatana mangatsiaka, mihoson-drà, feno diam-pamaky sy antsy, rotidrotika tanteraka no hita. Nitodika avy hatrany tany amin'ilay vady nanao "menace de mort" ny ahiahy noho izany ka roso nitady azy ny zandarimaria sy ny fokonolona. Tsy nanaiky hosamborina anefa ny anaolahy fa mbola nandrangaranga famaky be sy antsy ary vonona hamely izay manakaiky azy. Nihamafy ny fanoherany ka niaro ireo fokonolona sy ny tenany ny zandary. Voatery nampiasa hery ireto farany ka naratra vokatry ny tifitra nahazo azy koa Ingahirainy. Noho ny fahaverezan-drabe loatra anefa dia namoy ny ainy koa ny anaolahy.
Pati
Légende : Ilay Rangahy namoy ny ainy koa rehefa avy namono ny vadiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT