TSY NANOME VOLA, NANAMBANA NY HISARAKA

Noperin’ilay Rangahy ny aim-badiny


  • Alarobia 04 Jona 2025

Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,

distrikan'i Btickaville ny 25 May lasa teo. Lehilahy iray no nahavita nanafaka ny aim-badiny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nofirafirainy tamin'ny famaky ny lohan'io vadiny io ary nitsoaka izy taorian'izany. Voasambotry ny Zandary avy amin'ny borigady teritorialy Anivorano-Est ilay lehilahy nahavanon-doza. Tao Ambodinonoka Marofody, kaominina Razanaka izy no tratra. Vao 25 taona ny anaolahy. Niaiky ny heloka vitany izy..Nibaradaka koa rehefa tratra ary nilaza fa " nangata-bola tamin'ilay vadiny izy saingy tsy nomeny ary mbola nilaza hisaraka aminy koa ilay Ramatoa fa leo amin''ny toetrany ka naleony novonoina. Tsiahivina moa fa namoy ny ainy ilay vehivavy. iIay fira famaky teo amin'ny lohany no tena nahavoa mafy azy. Be loatra mantsy ny ra very hoy ny vaovao azo
Pati
Légende : Ilay Ramatoa namoy ny ainy sy ilay nahavanon-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT