Tsy misy mpiahy sy mpiaro ny Malagasy…

Toy ny mamono akoho ny mandatsaka ain’olona


  • Alatsinainy 17 Martsa 2025

Mampivarahontsana ny trangana tsy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny Firenena,

saingy tsy maharototra sy hamaivanin’ny mpitondra. Ranolava ny fanafihana sy vono olona etsy sy eroa satria tena miha biby ireo olon-dratsy. Tsy nisy nanavahana fa lasibatra na manam-pahefana, teratany vahiny, olona sahirana, manan-katao,… Ny herinandro teo fotsiny, renim-pianankaviana iray tao Antsohihy nandeha ny nitaky ny vola amin’ny 5 tapitrisa nangalarin’ny naman’ny zanany no faty sisa hita taorian’ny nahazoany ny ambim-bola tsy lany avy eo nandray fiarakaretsaka teo akaikin’ny sekoly. Teny Andranonomby Ambohimalaza, raim-pianakaviana iray 53 taona hita faty. Efa vatana nisarantsaraka tsy nisy loha, tsy nisy tapany ambony ary efa nisarantsaraka hatramin’ny fehiny ihany koa aza no nisy nahita, ka nalevin’ny fokonolona. Tsy hita nanomboka ny 08 martsa izy io. Mpanera fiara ny asany ka tamin’ny fotoana nandehanany hanandrana ny fiara saika hisy hividy no tsy hita intsony io raim-pianakaviana io. Tany Andrere Kaominina Ambohimiadana Andramasina, tovovavikely vao 14 taona no niala tao an-tranony ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany tolakandro, saingy ny fatiny sisa hitan’ny fokonolona tany amin’ny toerana tsy dia lavitry ny alakamisy, ampitson’ny tsy nahitana azy. Tany Ambositra ny faran’ny herinandro teo, zaza iray noheverina fa varira nisy naka an-keriny, avy eo nofirain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky,... Nialohan’ireny ny tranga tany amin'ny fokontany Ankaraoka anelanelan'Ankarana sy Namohora any Farafangana tamin’ny 13 martsa, nisiana vehivavy tokony ho 30 taona novonoin'olona, lasa ny lohany sy ny tanany. Tahaka izany ihany koa ireo mpivady 50 sy 45 taona tamin’ny fomba feno habibiana tany Antsiranana ny 12 martsa teo,…
NY SEZA ALOHA VAO NY AIM-BAHOAKA…
Ampahany ireny, fa betsaka ireo tranga niseho raha ho an’ny 2025 fotsiny, toy ny fitifirina nahafatesan’olona teny Ambodivona, Analakely, ny fanafihana teny Ampamantanana,… izay nahafatesana raim-pianankaviana telo. Nitohy tamin’ny raharaha Mangataboahangy namonoana an-dRasazy Narindra, ny famonoana ireo teratany Koreanina 2 tany Amboasary Morarano Gara, ny famonoana an’i Tahina tany Toamasina,… Ny mahagaga, zary mbola hamaivanin’ny mpitondra sasany aza fa tsy vao izao no nisy tsy fandriampahalemana ka lazaina fa ny mpanohitra no mandrirotra izany. Nolazaina mihitsy fa efa nisy talohan’ny Jesosy Kristy ny fanapahan-doha,… Tena zava-doza, mila fandraisana andraikitra sy paikady mahomby kokoa. Tsy tena misy mpiahy sy mpiaro ny Malagasy! Rehefa milamina ny fiarovana seza dia mandeha ny zava-drehetra na ataon’ny jiolahy tahaka ny mamono akoho aza ny mandatsaka ain’olombelona ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT