Fandriampahalemana

Tsy milamina ny tany sy Firenena Mandravarava ny dahalo sy jiolahy


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Tsy milamina ny tany, tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana izay napetraka ho eo amin'ny laharana voalohany amin'ny veliranon'ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Rakotra asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy saika manerany ny Nosy. Tranga roa goavana no isan'ny niseho tato anatin'ny herinandro. Voalohany ilay tany Mangabe Sahananto any Toamasina II vao andro vitsy, nahafatesana olona 1 sy nisiana takalon'aina 6 izay efa votsotra moa. Voalaza fa mety misy ifandraisany amin'ireo mpaka an-keriny tao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka satria nitsoaka nanatona an'io ireo olon-dratsy. Asa nanao ahoana tokoa moa no tohin'ny fikarohana ireo voarohirohy ho mpaka an-keriny tany Alaotra izay hatramin'ny assistant parlementaire no voarohirohy sy nifampitadiavana. Efa tratra avokoa ve Ny tany amin'ny ilany Atsinanana izay fa ny any Atsimo, dia nisehoana halatra omby marobe ihany koa tany Bekily-Beraketa omaly maraina. Omby 56 be izao no indray lasan'ny dahalo. Zandary roa voatifitry nandritra ny fanarahan- dia. Ny iray tamin'ireo zandary namoy ny ainy, ary ny iray maratra mafy. Henjana ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy, ary tena mihatra aman'aina. Taratry ny tsy fitonian'ny Firenena, endrika isehoan'ny fahantrana sy fitotonganan'ny toekarena, endriky ny tsy fahaiza-mitantana,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT