Fandriampahalemana

Tsy milamina ny tany Bala 10 900 isa sarona teny Analakely


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Balana basy “calibre 7.5mm” miisa 10 900 tao anatina vata vy miisa 8 no hita tamina trano lehibe iray teny Analakely ny zoma 16 febroary lasa teo.

 

 Natokana ho an’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny MAS-36 sy MAS-49 ity karazana bala ity. Raha ny fanazavana, nisy olona nampandre ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely noho ny fahitana ireo bala ireo, dia  ireo mpanao trano izay handeha hanao asa fanavaozana tao amin’ity trano lehibe ity. Nahatsikaritra ny fisian’ireo vata vy lehibe miisa valo nampiahiahy nasitrika tao anaty efitra iray, ka nampandre avy hatrany  ny tompon'ny trano izy ireo, izay nampahafantatra ny mpitandro ny filaminana. Nentina avy hatrany teny amin’ny “Commissariat Central” eny Tsaralalàna ireto vata ireto ary natolotra ny polisy siantifika nanaovana ny fanisana sy ny fitiliana ireo tarehimarika rehetra sy ny mombamomba ireo bala. Ny avy eo anivon’ny “Service Central des Affaires Criminelles” kosa no nandray an-tanana ny raharaha ary nanohy ny fanadihadiana hahitana ny marina mahakasika ireto bala miisa 10 900 izay sarona ireto. Avy aiza izy ireo ary ahoana no nahatongavany tao amin’ilay toerana izay nahitana azy ? Nahoana no tsy nahalalan’ny tompon’ny trano ny fisian’ireo ? Tsy hay aloha na hivoaka ny marina momba ireto bala maro be ireto, izay tsy tokony ho sarotra ny fanadihadiana raha toa ka niainga avy amina tobin’ny mpitandro ny filaminana, ohatra, no niaviany. Misy rahateo ny marika sy laharana amin’ireny vodibala ireny, ka dia miandry ny rehetra. Tsy olon-tsotra no heverina fa ao ambadik’ity raharaha ity fa mety ho misy manampahefana na manamboninahitra ambony. Natao hamatsiana dahalo sy jiolahy ve  sa antony hafa mihitsy ? Petra-kevitra hafa ny mety fanomanana korontana sy vono olona mahatsiravina eto amin’ny firenena. Antomotra rahateo ny fifidianana, ka tsy hay intsony izay zava-doza kotrehina eto. Sanatria hanomanana fanakorontanana tahaka ny 2009 indray ve ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT