Tsy milamina ny tany ao Faratsiho

Miantso fanampiana ny Depiote Mily


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Mikolay ny amin’ny tsy fandriampahalemana hiainan’ny mponina ao anatin’ny

distrikan’i Faratsiho ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary na i Mily voafidy tamin’ny anaran’ny Vovonana Firaisankina tany an-toerana. Nambarany fa tena mandry andriran’antsy ny vahoaka na andro na alina. Ankoatra ny fanendahana dia manao ny hataony ireo dahalo mpangalatr’omby. Vao herinandro mahery izay raha araka ny fanazavany no nisy olona nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tao Miandrarivo. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar, tranga niseho tamin’ny andro atoandrobe nanahary. Matahotra ny ainy avokoa ny mponina vokatr’izany. Ekena hoy izy fa efa nisy ny fitokanana ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena na ny Poste avancee ao Miandrarivo saingy enganie mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny mponina indray ny fisian’izany fa mba tena hiaro ny vahoaka sy ny fananany tokoa. Ny hanafoanana ny tsy rariny sy ny tsy hisian’ny kolikoly no tena andrasan’ny vahoaka amin’ny fisian’izy ireny hoy izy hanafoanana ny asa ratsin’ireo tsy maty manota. Manao antso avo amin’ny Fitondrana foibe hatrany ity solombavambahoaka ity noho izany mba hahafahana miaro ny fananana sy ny ain’ireo mponina ao aminy. Efa misy tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena koa moa ao Ambatofotsy sy Faravohitra ary Antsapanimahazo saingy tsy maharo ny mponina izany.
Pati
Legende : Ramilison Nomenjanahary, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Faratsiho !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT