Fandriampahalemana

Tsy milamina i Toamasina Fanafihana 4 no nitranga tao anatin’ny 1 andro


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Tsy milamina ny tany ao Toamasina, fa saika isan’andro no isehoana sy ahenoana trangana tsy fandriampahalemana.

Ny sabotsy lasa teo fotsiny, tranga miisa 4 no voalaza fa niseho. Ny voalohany, vehivavy iray mpanao gatô no voaroba andro atoandro tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany tao Ambolomadinika. Nokapain’ireo tamin’ny sabatra ny tànany nangalana ny poketrany ka naratra be, ary dia lasan’ireo olon-dratsy ny zavatra nokasainy horobaina. Faharoa, vazaha iray nisakafo teo amin’ny Trio Café Bazar Be ihany koa no nendahina lehilahy roa nandeha moto, ka lasany ny kitapo s ny finday. Fahatelo, olona naka vola tamin’ireny kioska teo Bazar be ihany koa no nendahina roalahy nitaingina moto sady mitondra basy. Fahaefatra, teratany karana miisa 2 no notifirin’ny jiolahy teny akaikin’ny Dosane RN2 Bis tany Antanandava, voa teo amin’ny lohany ny iray ka maty rehefa tonga teny amin’ny hopitaly, lasan’ireo olon-dratsy ny sakaosy voalaza fa nisy vola. Ampahany ireo fa tena malaza ratsy tanteraka i Toamasina amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, halatra, fanendahana,… Vao ny 25 febroary lasa teo no nisy an’ilay tovolahy skoto sy ny sakaizany niharan'ny tifitra variraraka tao Mangarivotra. Maty ilay tovolahy skoto raha naratra kosa ilay tovovavy. Voasambotra ny alin’ny talata lasa teo ireo olon-dratsy tompon'antoka tamin'izany, ka rehefa nandeha ny fanadihadiana dia ny olon-tian' ity sakaizany teo aloha ihany no tao ambadika, noho ny tsy naneken'ity farany ny fiarahan'izy ireo no anton'izao. Amin’ity volana martsa ity anefa izy ireo no nikasa hanao hanao mariazy kanefa nosomparan'ny mpialona sy ny olon-dratsy izao. Misy amin’ireo tranga ao Toamasina moa no voalaza fa fantampantatra ny fiarahamonina ihany ireo olon-dratsy saingy matahotra valifaty ny ankamaroan’ny olona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT