TSY LEO MIFONJA

Vao avy nigadra 08 volana dia tratra nangalatra indray


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Misy olona tsy leo ny miaina eny am-ponja eto amintsika.

Raha tsiahivina anefa dia efa tena feno dia feno ny fonjaben’Antanimora ary tsy manana anjara sakafo afa-tsy mangahaz 300 grama isan’andro ny voafonja iray. Manjaka tanteraka ny aretina azo avy amin’ny tsy fanjariantsakafo mahazo azy ireo sy ny aretin’ny taovam-pisefoana noho izany. Ho an’ity tovolahy iray tratra nangalatra panneau solaire teny Ankadindratombo Alasora ity ohatra dia vao avy nigadra 08 volana teny Antanimora ny tenany saingy mba efa nivoaka ny volana Aprily lasa teo. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy no tratra ka tsy afa-niala intsony. Tamin’ny 08 Septambra teo ihany koa ny anaolahy dia voaporofo fa namaky trano teny Miadana Alasora, Antananarivo Avaradrano saingy tafaporitsaka rehefa nahazo vola mitentina 800.000 Ariary sy Radio. Na izany aza efa mizaka ny valin’asany izy.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT