Fandriampahalemana

Tsy kely lalana ratsy Efa misy mahavita « carte bancaire » hosoka ihany koa


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tovolahy iray 28 taona no saron'ny Polisy miasa ao amin'ny Cybercriminalité ny talata 26 jolay lasa teo teny Tsiadana rehefa nampiasa « carte bancaire » hosoka.

Naharay fitarainana avy amina mpanjifa iray ny ao amin'ny banky BFV mahakasika ny fihenan'ny vola ao anaty kaontiny kanefa tsy maka vola izy. Nitondra ny raharaha teo anivon'ny Polisim-pirenena avy hatrany ny banky ka nosokafana ny fanadihadiana. Natao ny fikarohana rehetra ka tena voaporofo fa ity tovolahy 28 taona ity no tompon’antoka amin’izany. Nisoloky irony karatra fisintonana vola irony (Carte bancaire) izy izay matetika hanaovany fiantsenana anaty tambajotran-tserasera. Fomba fiadin’ity lehilahy ity ny manao « achat en ligne » ka hampiasainy amin’izany ny laharan’ilay kaontin’ity olona ity, ary dia miala tsikelikely ao amin’ilay karatra ny vola noho izy mividy entana an’habaka. Efa tafiakatra 9. 815. 000 Ar ny vola azony tao anatin’izany fanaovana hosoka izany. Tratra tao amin’ny trano fonenany teny Tsiadana ity farany ka noentina teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana, ary niaiky izy fa nanao izao halatra avo lenta izao tokoa. Natolotra ny fitsarana omaly 28 Jolay ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT