TSY KELY LALANA NY RATSY

Tra-tehaka ny fikasana hamono mpitondra fanjakana


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

Tonga ara-potoana tany amin'ny mpitandro filaminana ny vaovao

koa dia niainga avy hatrany ny fanadihadiana. Vokany : teratany vahiny miisa roa no efa voasambotra tamina fikasana hamono mpitondra fanjakana hoy ny tale jeneralin'ny Central Intelligence Service (CIS), Contrôleur Général de Police Lebiria Rufin Tolojarany. Nahatrarana basy sy volabe tao amin'ny trano nisy azy ireo.
15 -28 NOVAMBRA ?
Heverina fa hanakaramana olona hamono mpitondra fanjakana ireo vola 2 Miliara ariary hita hoy ny fanazavana. Mbola misy vondrona olona miisa 2 hanaovana fanadihadiana. Ananan'izy ireo loharanom-baovao avokoa ny mikasika ity raharaha ity, hoy ny mpitandro filaminana ka tsy ho amelana raha tsy hita ny marina. Miisa 6 kosa ireo basy tratra, niaraka tamin'ny bala nandritry ny fisavana notanterahana ny zoma hariva teo. Eo anelanelan'ny 15 sy 28 novambra no vanim-potoana voatondro fa saika hanatanterahana ny asa ratsy. Mialohan'izao nifanindran-dalana tamin'ny hetsi-bahoaka ny faramparan'ny volana septambra sy fiandohan'ny volana oktobra ireny dia efa nahoraka hoe misy volabe any ho any ampiasaina mba hampandamoaka ny tolona sy fitakiana. Nisy fotoana avy eo nisavana tranona tompon'andraikitra ambony mpiaradia tamin'ny fitondrana teo aloha ka nahatrarana.vola sy basy tsy misy taratasy mazava..Misy olom-boafidy sy olom-boatendry akaikin'ny fitondrana Rajoelina ihany voatonontonona fa lehiben'ny mpanakorontana sy mpamatsy vola ireo andian'olona ampitenenina mba hanaratsy ny fitondrana vaovao tarihin'ny Kolonely Michael Randrianirina. Fa tetsy ankilan'izay dia nandà mafy ny fiampangana azy hoe lehiben'ny gros bras ny depiote Fidy etsy amin'ny boriboritanyfaha 4 Antananarivo. Miroso tsara ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ary inoana fa ho fantatra amin'ity herinandro ity ihany ny fivoarany. Ny efa mazava aloha izany dia misy ny mpamatsy vola, misy ny mpandray ny vola, misy ny mpanaparitaka ny vola, misy ny mpamatsy fitaovam-piadiana.ary misy ny "mission" atao.Tsy kely lalana marina ny ratsy fa dia mitady ny fomba rehetra hanakorontanana sy hanakanana ny fanovana.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT